Mankany amin'ny Faneva merina      Tongasoa eto amin'ny Sehatr'Imerina

The Merina Nation
Mankany amin'ny Valin-Kitsaka!

 

 

Mankany amin'ny Tantara sy Kolontsaina

 

 

Mankany amin'ny Zaikabe Merina

 

 

Mankany amin'ny Tantaran'ny tolona

 

 

Mankany amin'ny Tantaran'ny ANDRIANA

 

 

Mankany amin'ny Tontolo NUSANTARA

 

Ity sehatra ity dia natokana hiresahana
momba ny FIRENENA MERINA (Madagasikara)
amin'ny maha-firenena tompon-draharaha tanteraka azy
ao amin'ny fianakaviam-be NUSANTARA
(Melayu-Polynesia)
 


      Ny mikasika rehetra ny fiainan'ny Merina dia mahaliana anay avokoa, na momba ny kolontsaina sy ny fiteny izany, na ny zava-kanto sy hairaha, na ny tantara, na ny kojakoja andavanandro, ary ao anatin'izany indrindra ny resaka momba ny politika sy ny toekarena. Tsy misy eo imasonay lafin-javatra voarara tsy azo hiadian-kevitra malalaka ao anatin'ny fifanajana sy ny fivelaran-tsaina. Manaraka izany, mifantoka ao an-tsainay mandrakariva ny fiheverana ny fanarenana an' ANATIROVA sy ireo vakoka nentin-drazana merina rehetra. Ary izany akory, tsy hoe amin'ny lafiny ara-bola na ara-teknika fotsiny ihany fa indrindra indrindra amin'ny fandinihina sy fandalinana ny atao tokoa hoe HASINA sy ny tena dikany ho an'ny taranaka merina ankehitriny. Aminay, ny fanarenana sy ny fiarovana ireo vakoka masina ireo (ary ao anatin'izany indrindra koa ny fanajana ny fiteny, ny kolontsaina, ny toe-pirazanana ary ny fahafantarana ny tantaram-pirenena miantoka ny maha-merina ny Merina!) dia miankina tanteraka amin'ny fiarenan'ny FIRENENA MERINA izay hany afaka manatontosa ny raharaha rehetra. Ka ny mba fanantenana ary dia ny ahafahan'ireto lahatsoratra ireto manampy tokoa ny mpamaky ho SAHY MIJORO sy mirehareha indray amin'ny maha merina azy (fa tsy hoe "malgache/malagasy" fotsiny noho ny tahotra sy ny fanekena lembenana manoloana ny fanabosesehan-kevitry ny vazaha mpanabotry saina!) sahala amin'ireo razany rehetra nifandimby hatramin'ny fahagolan-tany.
        Ny Merin'ny taonarivo fahatelo aminay dia olona sady mahay manandratra ny lovan-drazany manokana ary faran'izay saro-piaro amin'ny fanajana ny hasin'ny tany niaviany no mivoha tanteraka koa amin'ny fiainan'izao tontolo izao. Araka ny asehon'ny zava-misy eran-tany ankehitriny mantsy, ny tena FIRENENA marina dia ny FOKO nipoirana sy ny karazana voajanahary mampiray ireo mpihavana mpiray ra ("iray reny"!) ary mpiombona tombontsoa ka mila mifanampy fa tsy ny "rafi-pitondrana" ("Etat") manokana nateraky ny haitraitran'ny tantara sy ny fifanamboarana politika intsony izay miharihary tokoa fa manomboka hilaozan'ny toe-trandro tanteraka. Ny mpisandoka anarana izany aminay dia ny voalaza fahatany (hatramin'ny fanjanahantany frantsay namorona azy ho an'ny tombontsoany manokana!) hoe "firenena malagasy" fa tsy ny FIRENENA MERINA velively izay zava-misy voajanahary, miorim-paka lalina hatramin'ny fahagolan-tany.
        Ireo mpandray anjara rehetra amin'ny fifanakalozan-kevitra sy ny fampitam-baovao ary ny asa-soratra aseho etoana ary izany dia samy miaiky ho tia-tanindrazana merina avokoa, mitolona andavanandro eto Imerina (indrindra izany amin'ny alalan'ny gazety sy ny famoaham-boky ary ny fampielezam-peo!) na any amin'ny tany fandrantoana maro any ivelany. Ny hany antony manosika an-dry zareo dia tsy misy afatsy ny faniriana hanatanteraka ny andraikitra sy ny adidy masin'ny Merina tsirairay mba hanasoavana amin'izay ity tanindrazana efa latsaka tanteraka any amin'ny faran'ny ambany ity noho ny filavoan-defon'ny zanany indrindra. Ny tanjona tokana iriana tratrarina izany dia ny AHAVELONA sy HAMPANDROSO hatrany ny firenena merina, ahafahany misedra amim-pitokisana indray ny hoaviny.
        Noho izany dia manasa anao koa hifarimbona satria asa vadi-drano ity ka tsy ho vita raha tsy hifanakonana. Ary araka ny efa tenin'ANDRIANAMPOINIMERINA indrindra, ny adidy manoloana ny raharaham-pirenena dia "TSY ADIDIKO IZAHO IRERY FA ADIDIKO IZAHO SY IANAREO". Ka dia manantena anao tsy ho ela ary mametraka ny mandra-pihaona!

        Ho ela velona anie ny Firenena merina!

 

Adiresy fifandraisantsika : iarivo@usa.net                    Navaozina farany: 29 Marsa 2002