HAVERENO AMIN'NY MERINA
IZAY AN'NY MERINA!
Zato taona mahery kosa izao no nandresen'ny mpananimbohitra an'io fanjakana io, ary niezahan'ny Frantsay mpanjanaka, sy ireo niray petsapetsa taminy, handringana ny foko Merina tamin'ny famonoana sy fomba an-kolakahafa isan-karazany. Isaorana anefa Zanahary nitahy ka tsy nahatanterakaan'io teti-dratsy io hatramin'ny farany. Tsy mbola lany tamingana akory isika Merina, na ara-batana izany na ara-kolotsaina, na dia efa niaran'ny faharavana be tokoa aza.
Efa ho roa arivo taona koa izao no nisy nilaza hoe "Avereno amin'ny Kaisara izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra". Isika kosa ankehitriny dia hanandratra hoe "Avereno amin'ny Merina izay an'ny Merina!".
Tsy miafina eo anatrehan'izao tontolo izao fa MISY ny fahasamihafana eo amin'ny mponin'i Madagasikara. Fotokevitra toavina eran-tany ankehitrinyny fanajana ny fisian'ny foko isan-karazany dia fototra iorenan'ny kolotsaina maha-olombelona. Manara-maso antsika izao tontolo izao ary MIADY MANANA NY RARINY isika Merina raha mitaky fa ny fahaleovantena no hany FAMERENAN-KASINA ny fokontsika. Miantomboka amin'ny fahaleovantenantsika no hanorenantsika firaisam-pirenena vaovao sy mari-potitra eto Madagasikara.
Ny ZAIKABE MERINA, izay natomboka amin'ny alalan'ny tambatserasera, dia natao mba hitantana ny tolontsika am-pilaminana sy am-pahamendrehana.
Tsy maintsy tafarina ny Firenena Merina!
Ny Fanahy no Olona
Miarena ry Firenena Merina!
Amin'izao fitsingerenan'ny faha-50 taonan'ny raharaha 29 Marsa 1947 dia ity antso ity no entinay hanomezam-boninahitra ireo REHETRA namoy ny ainy ho fanafahana an'i Madagasikara: MIARENA RY FIRENENA MERINA!
Fa ahoana izany hoy ianao? Fa angaha ny Merina ihany no namoy ny ainy nitolona ho an'ny fahaleovatenan'i Madagasikara?
Marina izany, kanefa misy ireto fanamarihana telo ireto tianay ambara.
Jonah Andrianarivo