Ity fizarana eto amin'ny Kianja ity dia natokana indrindra mba hiresahana momba ny tantara sy ny kolon-tsaina ary ny lafin-javatra samy hafa mikasika ny fiainan'ny Merina izay heverinay fa mendrika ho dinihina kely satria toa tsy mazava laotra intsony ho an'ny ankamaroan'ny olona. Tsy dia tena hoe famelarana lalina anefa no kendrena amin'izany fa fanazavana amin'ny teny fohifohy fotsiny ihany.
Mazava avy hatrany ary fa mbola santatra ihany ireto atolotra
etoana ireto satria ny maro sy tena masaka dia ho avy tsikelikely
amin'ny manaraka eny ihany. Ka ialana tsiny avy hatrany amin'ny
fanitsiana mety ho atao. Raha toa koa ka sendra manana fanontaniana
manokana na soson-kevitra momba an'izany ianao dia aza misalasala
fa ny hevitra tsy azo tsy amin'ny olombelona ary resaka samy
isika ihany koa ity.
NB. Toy ireto no kasaina ho dinihina tsikelikely amin'ny manaraka :
Miverina any
amin'ny takila fanolorana
Ny eritreritrao...